Accéder au contenu principal

NY LEHILAHY MANADALA

Ahoana no ahafantarana ny fitiavana eo amin'ny lehilahy? 

Raha manadala fotsiny izy:
  • Tsy miraharaha ny fianakavian'ilay tovovavy izy, fa matahotra azy na miafina mihitsy aza
  • Mitady sady maika amin'ny fifandraisana akaiky kokoa foana izy, mitady fifampikasohana ara-batana, ary tsy afa-po na oviana na oviana
  • Be kisarisary an-tsaina (imagination) be izy ary miresaka ny manaitaitra ny fitsapana (sens)
  • Mitarika ny tovovavy hitokatokana na ho any amin'ny toerana mangingina foana izy
  • Matahotra ny ho hitan'ny olona izy na dia tsy manao n'inon'inona aza
  • Be fandokafana be loatra izy ary indraindray aza dia diso tafahoatra ny fanomezan-toky sy ny fihetsika ataony
  • Manambony ny tenany, manambany ny hafa
Ny lehilahy anefa rehefa tia dia:
  • Manaja ny fianakavian'ilay miaraka aminy, manao izay ahafinaritra azy araka izay azo atao
  • Tsy dia mila fifampikasohana manokana izy ary tiany ny entina toy ny olon-drehetra
  • Manahy ny fifampikasohana ara-batana izy nefa tsy manazava ny antony
  •  Mitsinjo ny ho avy izy
  • Miezaka hitondra ilay tovovavy amin'ny toerana mendrika
  • Tandremany mba tsy hisy fisainana lomorina handoto ny fanahin'ilay tovovavy ary sarotiny izy amin'izany
  • Tsy miezaka ny hiaraka aminy irery fa mitady olon-kafa miaraka amin'izy ireo
  • Mino izy fa manana ny fahamarinana sy ny hatsarana rehetra ilay olon-tiany

Commentaires

  1. Tena tsara ilay torohevitra.Tandremo ihany anefa sao mitady ho "utopique" ka lasa miala lavitra ny réalité.Fa tsara aloha lay fanamarihana rehatra ary hita hoe marina !

    RépondreSupprimer
  2. resaky ny olona manidina izy zany

    RépondreSupprimer

Enregistrer un commentaire

Posts les plus consultés de ce blog

MITONDRA VOHOKA AHO: ireo singa ahafantarana azy

Tsy tonga ny fadimbolana: Rehefa bevohoka ny vehivahy dia ny fadimbolana no tsy miverina intsony raha tsy fotoana lavalava aorian'ny fiterahana indray. Rehefa tsy tonga herinandro izy io dia ny "test de grossesse" no tsara indrindra hanamafisana azy fa tena vohoka tokoa no mahatonga ny fadimbolana tsy tonga indrindra moa fa raha tena ara-potoana foana ny fandehanany talohan'izay. Ireto anefa misy antony vitsivitsy mety ahatara ny fadimbolana nefa: - tara na tsy nisy ny fotoana naha lonaka izay mety ho vokatry ny rarin-tsaina na "stress". Ny ankizivavy vao tonga fotoana voalohany sy ireo vehivavy efa misimisy taona (45ans) - ny fanajanonana ny fandrindram-piterahana   Ireto ary ny singa ahafantarana tokoa fa mitondra vohoka ny vehivevy iray: 1* Mivonto sy somary maharary ny nono:

NY FIHETSIKAO REHEFA MIHETSI-JAZA

Marary tokoa ny mihetsi-jaza. Voalohany aloha dia tokony efa voahomana tsara daholo ny entana hoentina mamonjy hôpitaly dieny mbola tsy mihetsika ny zaza izany hoe rehefa manomboka ny hoe "miandry andro" ianao

Ny vahona

Vahona Efa ela be tany aloha tany no efa fantatra fa tena mahasoa tokoa ny fampiasana ny vahona na aloe vera na koa hoe aloès. Ny antsoina hoe latex izay azo avy amin'ny hoditry ny vahona sy ny gel, ilay tsiranoka azo avy amin'ny nofony no tena ilaina amin'izany ary aty amin'ny tany mafana toa an'i Madagasikara izao dia tena betsaka azy mihitsy. Maka tahona vahona iray ianao, potserina tsara hivoaka ny ranony ary ilay maditidity somary maitso iny no gel.