Accéder au contenu principal

Articles

Affichage des articles du février, 2015

ASTUCES TRES FACILES - CUISINE

" OEUF SUR PLAT" tsy miraikitra amin'ny lapoaly : somary kikikikisana moramora amin'ny vainga-tsira ny lapoaly ary tsy sasana fa fahona amin'ny lamaba madio tsara sy maina. Tsy hiraikitra ny atody. Fitahirizana persil tsy halazo: Esorina na tapahina ny vodin'ny persil, kely fotsiny no halana. Atao ao anaty vera misy rano mangatsiaka, dia saromana amin'ny sachet plastique ilay vera, hidina tsara amin'ny "élastique" mba tsy ho tafiditry ny rivotra. Dia apetraka ao anaty vata fampangatsiahana (frigidaire), somary alavirina ny faritra tena mangatsiaka amin'ny frigo izy. Ohatra: amin'ny varavaravn'ny frigo, amin'ny farany ambany.

OVY MANTA - POMME DE TERRE CRUE - REMEDE MEDICINAL

Ny ovy dia ahitana betsaka glucides, protéines, magnésium, potassium  ary vitamines B1, B2, B3, B5, B6, B9, C, E. Misy tombonyhafa ihany koa anefa mety ahasoa antsika ao anatin'ny ovy ka ovy manta no resahana eto: