Accéder au contenu principal

PLANTES D'INTERIEUR

Anthurium crystallinum no anaran'izy ity, mila hazavana izy nefa tsy tia masoandro, tsy tia toerana mangatsiaka anefa izy, mila rivotra ihany koa, tena tia rano izy. Rehefa tena lehibe ny Anthurium crystallinum dia mahatratra 80cm eo ny haavony. Ny fikoloina azy dia esorina izay raviny misy simba na maina. Izy dia miteraka amin'ny alalan'ny vodiny ao anaty tany. Mety koa ny Anthurium crystallinum na atao any an-tokotany aza saingy atao anaty serre kosa izy mba tsy ho azon'ny masoandro mivantana raha tsy izay dia lasa somary mavo ny raviny.. Maintso ohatra ny velour izay ny lokony ary hita be ny nervuren'ny raviny izay mampiavaka azy tokoa.

Flamant rose, Langue de feu, Petit anthurium, anarana azo iantsoana azy daholo ireo. Misy izy mamelana fotsy, mavokely, mena... Tena mila hazavana be ihany koa ity anthurium ity, saingy mila hafanana kosa, tsy dia tena mila hamandoana be nefa tsy maina be ihany koa, tsy mety loatra raha atao amin'ny masoandro mivantana izy fa mahamaina ny raviny izany. Mahatratra 80cm eo ho eo koa ny haavon'ity anthurium ity. Rehefa avy mamelana izy dia tapahina fotsiny ilay tahon'ny felany iny mba tsy haharatsy endrika azy. Mila diovina matetika koa ny raviny mba tsy ho be vovoka mijanona. Mba hijanonan'ny hamandoana amin'ny taniny dia tsara raha asiana mousse kely dia kely fotsiny maniry eo amin'ny fanambaniny eo. Rehefa mamoaka felany ny anthurium dia tsy tokony kitihina amin'ny toerany aloha raha tsy tapitra ilay felany fa manimba azy.
Araucaria, Izy ity dia karazana sapin. Mila hazavana be izy ary indrindra rehefa ririnina dia mila masoandro koa. Avela ho maina ny tanin'ny Araucaria vao tondrahina indray, azo atao an-tokotany izy ary hahatratra 30m rehefa tena lehibe. Raha ao an-trano ny araucaria dia 2m ihany no haaavony Maharitra aman-taonany be dia be ny araucaria raha voakarakara tsara. Bouturage no fangalana ny taranany. Raha tiana ho maintso tsara izy dia ny masoandro ihany no tena mety be aminy.




Begonia, betsaka ny karazana begonia fa ity aloha dia begonia boweri no anarany. tsy dia tena tia masoandro loatra, mila mando tsara ny taniny ary tsara raha isaky ny 2 andro no tondrahina. 25cm raha lehibe indrindra ity begonia ity. Mora mitombo be izy ity ka ny atao dia manala izay raviny ratsy fotsiny hitazonana ny hatsarany noho ny paozin'ny raviny. Tsara be isy raha atao ao an-trano. Raha te hanana zanany dia iny tahony fivoahan'ny raviny iny no tapahina ary atsatoka. Misy koa fanaovana azy amin'ny raviny izay sarotsarotra raha tsy zatra satria ny nervuren'ny raviny no ampiasaina.


Palmier nain, 1m20 izy raha avo indrindra raha ao an-trano, ny voany no mitsiry raha ny fambolena azyary somary ela izay fitsiriny izay, raha te hitaiza tsara ny palmier nain dia esorina ny raviny izay antitra ary esorina ihany hoa ny felany izay mivoaka mba ampivoaka tsara ny raviny izay tena mahafinaritra ny hamaitsony. Miadana be ny fitombon'izy ity ka izay no maha palmier nain azy, mitovy amin'ny bambou ny tahony. Eo amin'ny 40 cm eo ny halavan'ny raviny.




Papirus, cyperus, indray no fiantsoana azy ity, mila hazavana be ny papyrus, mila rano be koa izy. 1m50 eo ny haavony. Ny rano dia ny rano ihany no miantoka ny hatsarany. Na izany aza dia mila hafanana ihany koa ny papyrus, tsy dia mampaninona azy loatra ny masoandro nefa raha tena mamay be loatra ny andro dia tsara ialana ihany izay masoandro izay. Tapahina ny tahony eo @ 2cm ambanin'ny raviny, atao ao anaty vera misy rano raha te hanaranaka ny papyrus.

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

MITONDRA VOHOKA AHO: ireo singa ahafantarana azy

Tsy tonga ny fadimbolana: Rehefa bevohoka ny vehivahy dia ny fadimbolana no tsy miverina intsony raha tsy fotoana lavalava aorian'ny fiterahana indray. Rehefa tsy tonga herinandro izy io dia ny "test de grossesse" no tsara indrindra hanamafisana azy fa tena vohoka tokoa no mahatonga ny fadimbolana tsy tonga indrindra moa fa raha tena ara-potoana foana ny fandehanany talohan'izay. Ireto anefa misy antony vitsivitsy mety ahatara ny fadimbolana nefa: - tara na tsy nisy ny fotoana naha lonaka izay mety ho vokatry ny rarin-tsaina na "stress". Ny ankizivavy vao tonga fotoana voalohany sy ireo vehivavy efa misimisy taona (45ans) - ny fanajanonana ny fandrindram-piterahana   Ireto ary ny singa ahafantarana tokoa fa mitondra vohoka ny vehivevy iray: 1* Mivonto sy somary maharary ny nono:

NY FIHETSIKAO REHEFA MIHETSI-JAZA

Marary tokoa ny mihetsi-jaza. Voalohany aloha dia tokony efa voahomana tsara daholo ny entana hoentina mamonjy hôpitaly dieny mbola tsy mihetsika ny zaza izany hoe rehefa manomboka ny hoe "miandry andro" ianao

Ny vahona

Vahona Efa ela be tany aloha tany no efa fantatra fa tena mahasoa tokoa ny fampiasana ny vahona na aloe vera na koa hoe aloès. Ny antsoina hoe latex izay azo avy amin'ny hoditry ny vahona sy ny gel, ilay tsiranoka azo avy amin'ny nofony no tena ilaina amin'izany ary aty amin'ny tany mafana toa an'i Madagasikara izao dia tena betsaka azy mihitsy. Maka tahona vahona iray ianao, potserina tsara hivoaka ny ranony ary ilay maditidity somary maitso iny no gel.