Accéder au contenu principal

MITONDRA VOHOKA AHO: ireo singa ahafantarana azy


Tsy tonga ny fadimbolana: Rehefa bevohoka ny vehivahy dia ny fadimbolana no tsy miverina intsony raha tsy fotoana lavalava aorian'ny fiterahana indray. Rehefa tsy tonga herinandro izy io dia ny "test de grossesse" no tsara indrindra hanamafisana azy fa tena vohoka tokoa no mahatonga ny fadimbolana tsy tonga indrindra moa fa raha tena ara-potoana foana ny fandehanany talohan'izay.
Ireto anefa misy antony vitsivitsy mety ahatara ny fadimbolana nefa:
- tara na tsy nisy ny fotoana naha lonaka izay mety ho vokatry ny rarin-tsaina na "stress". Ny ankizivavy vao tonga fotoana voalohany sy ireo vehivavy efa misimisy taona (45ans)
- ny fanajanonana ny fandrindram-piterahana
 
Ireto ary ny singa ahafantarana tokoa fa mitondra vohoka ny vehivevy iray:
1* Mivonto sy somary maharary ny nono:

Nohon'ny fitomboan'ny tahan'ny hormones ao amin'ny vatan'ny vehivavy alohan'ny handehanan'ny fotoana no mahatonga ny nono maharary. Fiomanan'ny nono amin'ny mety hisian'ny vohoka no antony hitomboan'io hormones io (oestrogènes). Izay ihany koa no antony handrenesan'ny vehivavy sasany marary amin'ny nono rehefa alohan'ny fahatongavan'ny fadimbolana. Noho izany dia tsy azo itokiana io fahararian'ny nono io ka hanekena fa vohoka no mankarary azy. Raha ampian'ny fahataran'ny fadimbolana izy io dia izay vao azo lazaina fa mitondra vohoka ilay vehivavy.
2* Fandrenesana maloiloy, na te handoa
Io dia mety ho hita dieny vao tara ny fadimbolana, na mahatsiaro maloiloy na koa tena mandoa mihitsy. Arakaraky ny toe-batan'ny tsirairay ny fisehoany: misy andro vitsivitsy ihany dia tapitra io fotoana mahaloiloy io, misy kosa anefa dia hatramin'ny faha - telo volana ny kibo. Rehefa mihoatra ny telo volana kosa anefa dia misinda ho azy izany ka raha mbola ahitana io maloiloy io ihany dia aleo manantona mpitsabo hanamaivanana izany.
3* Ny hafanan'ny vatana
Ho an'ireo izay zatra maka mari-pana dia moramora kokoa ny fahitana ity singa iray ity: tsara raha marihina isan'andro ny hafanan'ny vatana, raha vao mifoha mbola tsy mitsangana ao am-pandriana no fangalana azy ka: miakatra ny hafanana rehefa lonaka ny vehivavy. - Raha tsy bevohoka - dia midina io hafanana io mandrapahatongan'ny fadimbolana ka miverina amin'ny hafanan'ny vatana mahazatra izany. - Raha bevohoka - kosa dia tsy milatsaka intsony iny hafanana izay hita fa niakatra kely iny toy ny hita eo amin'ny sary
. Izany dia nohon'ny fitombon'ny tahan'ny hormones progestérones ao anantin'ny vehivavy mitondra vohoka.

Mahereza ary isika vehivavy!




Commentaires

  1. Misaotra anao fa mahasoa ity ! Ary eo amin'ny lafiny lakozia sao mba afaka atoronao fanamboarana bolette chinoise ilay malemilemy tsara mihevotrevotra ireny e !

    RépondreSupprimer
  2. Rehefa nahita an'i Dr.Wealthy aho dia nila mafy ny hamerina ilay olon-tiako taloha. Navelany ho an'ny vehivavy hafa aho. Haingana be ny nitrangan'izany ary tsy nilaza ny zava-nisy mihitsy aho. Nanary ahy fotsiny izy taorian'ny 3 taona tsy nisy fanazavana. Mifandray amin'i Dr.Wealthy aho ary nolazainy ahy ny zavatra tokony hataoko alohan'ny hanampiany ahy ary nataoko izay noteneniny ahy, rehefa avy nanome izay tadiaviny aho dia nandefa ody fitiavana hanampy antsika hiara-hiaina. Fotoana fohy taorian'ny nanaovany ny famosaviana, nanomboka nandefa hafatra tamiko indray ny sipako ary nahatsiaro nahatsiravina noho izay nametrahany ahy. Nilaza izy fa izaho no olona manandanja indrindra amin'ny fiainany ary fantany izany izao. Niara-nifindra izahay ary nisokatra tamiko izy noho ny teo aloha ary nanomboka nandany fotoana bebe kokoa tamiko noho ny taloha izy. Hatramin'ny nanampian'i Dr.Wealthy ahy dia tena milamina sy mahatoky ary akaiky ahy kokoa ny namako noho ny teo aloha. Manoro hevitra mafy an'i Dr.Wealthy ho an'izay mila fanampiana aho. Mailaka: wealthylovespell@gmail.com. Antsoy izy na ampio amin'ny whatsapp amin'ny alàlan'ny: +2348105150446 Dr.Wealthy BLOG PAGE: Blog: https://wealthylovespell.blogspot.com

    RépondreSupprimer

Enregistrer un commentaire

Posts les plus consultés de ce blog

NY FIHETSIKAO REHEFA MIHETSI-JAZA

Marary tokoa ny mihetsi-jaza. Voalohany aloha dia tokony efa voahomana tsara daholo ny entana hoentina mamonjy hôpitaly dieny mbola tsy mihetsika ny zaza izany hoe rehefa manomboka ny hoe "miandry andro" ianao

Ny vahona

Vahona Efa ela be tany aloha tany no efa fantatra fa tena mahasoa tokoa ny fampiasana ny vahona na aloe vera na koa hoe aloès. Ny antsoina hoe latex izay azo avy amin'ny hoditry ny vahona sy ny gel, ilay tsiranoka azo avy amin'ny nofony no tena ilaina amin'izany ary aty amin'ny tany mafana toa an'i Madagasikara izao dia tena betsaka azy mihitsy. Maka tahona vahona iray ianao, potserina tsara hivoaka ny ranony ary ilay maditidity somary maitso iny no gel.