Accéder au contenu principal

NY FIHETSIKAO REHEFA MIHETSI-JAZA

Marary tokoa ny mihetsi-jaza.
Voalohany aloha dia tokony efa voahomana tsara daholo ny entana hoentina mamonjy hôpitaly dieny mbola tsy mihetsika ny zaza izany hoe rehefa manomboka ny hoe "miandry andro" ianao

dia tokony efa vonona tsara daholo ireo.Rehefa nipoitra taminao daholo ary ny fambara fa ho teraka ianao dia tokony halamina tsara ny saina; tsy mieritreritra zavatra hafa intsony fa ny hahateraka sisa no mibahana ny saina. Misy moa ireo toeram-piterahana no efa manome fampiofanana mialoha ny amin'ny tokony atao rehefa mihetsi-jaza. Dia arahina antsakany sy andavany daholo ireny mba ho moramora kokoa ny famoahana ny zaza. Tokony ho mby ao an-tsainao fa hahazo zazakely ianao ka hafaliana no handrasanao fa tsy fahatahorana ny hamafin'ny fanaintainana. Ataovy masaka tsara ao an-doha fa tsy maintsy marary ny mihetsi-jaza. Misy moa ireo mifidy ny mitsindrona alohan'ny fotoana mba tsy dia ahenoina be loatra izay marary izay dia ny péridural izany.
Tsy azo atao ny mandeha matory fa sao matory miaraka aminao koa ilay zaza ka tsy hanana hery hivoahana.
Manao respiration tsara ianao mba hidinan'ny lohan-jaza tsara. Rehefa manomboka ny contraction, izany hoe ilay marary ao amin'ny lamosina sy ny kibo, dia mi-inspirer mafy sy miadana ianao, ary mi-expirer hatramin'ny farany ihany koa fa iny mamoaka rivotra iny no tena mampidina ny lohan-jaza. Vetivety kokoa amin'izay ny fihetsehan-jaza. Afaka misotro rano mafana mamy ianao mandritra izany.
Izany moa dia atao mandra-pahatonganao any amin'ny toerana fiterahana ihany fa rehefa tonga any indray ianao dia ny mpampivelona na ny sage-femme no manoro anao izay tokony atao. Fa mahaiza misafidy tsara ny toerana fiterahana izay tena mikarakara tsara.
Marihina moa fa tsy tokony ianao hitondra ny fianakaviana rehetra rehefa hiteraka satria manaela kokoa ny fahaterahan'ny zaza izany fa ianareo mivady dia ampy tsara miatrika izany fiterahana izany, manelingelina tokoa satria tsy ilaozan'izay tsy hiresadresaka amin'ny havanao ianao ary tsy hifantoka tanteraka amin'ny fiterahana mazava ho azy ny fisainanao. Ka na dia tokony hanao respiration tsara aza ianao dia lasa lany fotoana miresaka indray. kanefa moa dia araka ny safidin'ny tsirairay ihany.

Commentaires

  1. Rehefa nahita an'i Dr.Wealthy aho dia nila mafy ny hamerina ilay olon-tiako taloha. Navelany ho an'ny vehivavy hafa aho. Haingana be ny nitrangan'izany ary tsy nilaza ny zava-nisy mihitsy aho. Nanary ahy fotsiny izy taorian'ny 3 taona tsy nisy fanazavana. Mifandray amin'i Dr.Wealthy aho ary nolazainy ahy ny zavatra tokony hataoko alohan'ny hanampiany ahy ary nataoko izay noteneniny ahy, rehefa avy nanome izay tadiaviny aho dia nandefa ody fitiavana hanampy antsika hiara-hiaina. Fotoana fohy taorian'ny nanaovany ny famosaviana, nanomboka nandefa hafatra tamiko indray ny sipako ary nahatsiaro nahatsiravina noho izay nametrahany ahy. Nilaza izy fa izaho no olona manandanja indrindra amin'ny fiainany ary fantany izany izao. Niara-nifindra izahay ary nisokatra tamiko izy noho ny teo aloha ary nanomboka nandany fotoana bebe kokoa tamiko noho ny taloha izy. Hatramin'ny nanampian'i Dr.Wealthy ahy dia tena milamina sy mahatoky ary akaiky ahy kokoa ny namako noho ny teo aloha. Manoro hevitra mafy an'i Dr.Wealthy ho an'izay mila fanampiana aho. Mailaka: wealthylovespell@gmail.com. Antsoy izy na ampio amin'ny whatsapp amin'ny alàlan'ny: +2348105150446 Dr.Wealthy BLOG PAGE: Blog: https://wealthylovespell.blogspot.com

    RépondreSupprimer

Enregistrer un commentaire

Posts les plus consultés de ce blog

MITONDRA VOHOKA AHO: ireo singa ahafantarana azy

Tsy tonga ny fadimbolana: Rehefa bevohoka ny vehivahy dia ny fadimbolana no tsy miverina intsony raha tsy fotoana lavalava aorian'ny fiterahana indray. Rehefa tsy tonga herinandro izy io dia ny "test de grossesse" no tsara indrindra hanamafisana azy fa tena vohoka tokoa no mahatonga ny fadimbolana tsy tonga indrindra moa fa raha tena ara-potoana foana ny fandehanany talohan'izay. Ireto anefa misy antony vitsivitsy mety ahatara ny fadimbolana nefa: - tara na tsy nisy ny fotoana naha lonaka izay mety ho vokatry ny rarin-tsaina na "stress". Ny ankizivavy vao tonga fotoana voalohany sy ireo vehivavy efa misimisy taona (45ans) - ny fanajanonana ny fandrindram-piterahana   Ireto ary ny singa ahafantarana tokoa fa mitondra vohoka ny vehivevy iray: 1* Mivonto sy somary maharary ny nono:

Ny vahona

Vahona Efa ela be tany aloha tany no efa fantatra fa tena mahasoa tokoa ny fampiasana ny vahona na aloe vera na koa hoe aloès. Ny antsoina hoe latex izay azo avy amin'ny hoditry ny vahona sy ny gel, ilay tsiranoka azo avy amin'ny nofony no tena ilaina amin'izany ary aty amin'ny tany mafana toa an'i Madagasikara izao dia tena betsaka azy mihitsy. Maka tahona vahona iray ianao, potserina tsara hivoaka ny ranony ary ilay maditidity somary maitso iny no gel.