Accéder au contenu principal

CIRE A EPILER

Aza mividy cire à épiler intsony ianao fa ity misy azo karakaraina tsara ao an-trano, sady natoraly no "économique"


Ikarakarana ny cire à épiler
Afanao ambony afo malefaka ao anaty casserole , siramamy 2 vera ampiana rano tapaky ny vera. Rehefa mahazo caramel ianao, ampio ronom-boasary makirana kely sady manafangaro ihany ianao, ampio tantely 2 sotro fihinanana. Avelao hangotraka 2 na 3 minitra dia alao ambony afo amin'izay. lohary ilay pâte azonao dia avelao hangatsiaka.
Rehefa hanao épilation amin'io cire à épiler io:

Alaina ilay pâte azo teo dia volavolaina atao boribory toy ny totondry ny habeny. Tokony halefaka tsara ilay cire à épiler ary miraikidraikitra tsara. Apetakao eo amin'ny faritra halana volo ny cire, eo @ 5 ka 10cm eo ho eo. Itarinao kely ilay cire mba ahazoana toy ny bande eo amin'ny hoditra. Esory ilay cire à épiler haingana sy tampoka ny fanalana azy, toy ny manala volo rehetra dia amin'ny lafiny mivadika amin'ny fanirian'ny volo no anaovana azy. Ary miainga avy amin'ny ambanin'ny tongotra (cheville) no miakatra makany amin'ny lohalika.

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

MITONDRA VOHOKA AHO: ireo singa ahafantarana azy

Tsy tonga ny fadimbolana: Rehefa bevohoka ny vehivahy dia ny fadimbolana no tsy miverina intsony raha tsy fotoana lavalava aorian'ny fiterahana indray. Rehefa tsy tonga herinandro izy io dia ny "test de grossesse" no tsara indrindra hanamafisana azy fa tena vohoka tokoa no mahatonga ny fadimbolana tsy tonga indrindra moa fa raha tena ara-potoana foana ny fandehanany talohan'izay. Ireto anefa misy antony vitsivitsy mety ahatara ny fadimbolana nefa: - tara na tsy nisy ny fotoana naha lonaka izay mety ho vokatry ny rarin-tsaina na "stress". Ny ankizivavy vao tonga fotoana voalohany sy ireo vehivavy efa misimisy taona (45ans) - ny fanajanonana ny fandrindram-piterahana   Ireto ary ny singa ahafantarana tokoa fa mitondra vohoka ny vehivevy iray: 1* Mivonto sy somary maharary ny nono:

NY FIHETSIKAO REHEFA MIHETSI-JAZA

Marary tokoa ny mihetsi-jaza. Voalohany aloha dia tokony efa voahomana tsara daholo ny entana hoentina mamonjy hôpitaly dieny mbola tsy mihetsika ny zaza izany hoe rehefa manomboka ny hoe "miandry andro" ianao

Ny vahona

Vahona Efa ela be tany aloha tany no efa fantatra fa tena mahasoa tokoa ny fampiasana ny vahona na aloe vera na koa hoe aloès. Ny antsoina hoe latex izay azo avy amin'ny hoditry ny vahona sy ny gel, ilay tsiranoka azo avy amin'ny nofony no tena ilaina amin'izany ary aty amin'ny tany mafana toa an'i Madagasikara izao dia tena betsaka azy mihitsy. Maka tahona vahona iray ianao, potserina tsara hivoaka ny ranony ary ilay maditidity somary maitso iny no gel.