Niala ary ny couchesn'ny zaza. Niandry 1, 2,
3 andro, mbola mandoto ny kilaoty ihany ny zaza.. Tsy midika akory
izany hoe tsy mahay ianao reny.
Fa mila fantarinao tsara hoe efa afaka ny hanao maloto anaty pô tokoa ve ilay zaza. Misy fotoanany ny zavatra rehetra. Ary mila fotoana koa ny zaza ahafantarany tsara ny tadiavinao reny atao. Raha mandinika ianao, dia hitanao fa tsy dia manahirana ny zaza loatra na dia misy maloto aza ao anatin'ny couchesny ao (raha tsy dia ela ianao manolo azy). Tsy tsapan'ny zaza velively hoe maloto io zavatra avoakany io. Kanefa isika lehibe dia mahalala fa tokony any amin'ny WC no anariana io maloto io.
Ary ny fihetsika ataontsika reny manoloana izany no fitaovana ahafantarany miandalana hoe maloto amin'ny fomba fitenintsika hoe "masiso!!" sns... Mila teneina tsara fotsiny izy hoe nikaka ianao ary tokony natao tanaty pô ilay izy. Miha fantatry ny zaza amin'izay fa maloto tokoa izy rehefa mikàkà na mipipy. Ary miha-tonga ao aminy koa ny fahamenarana satria maloto. Manomboka tsapany ihany koa fa misy taova famoahana maloto ny vatany; any amin'ilay hivoahan'ilay masiso. Lasa menatra, na matahotra ny zaza amin'izay ka sarotra ny ampianatra azy hanao amin'ny pô.
Andramo mba tsy ho hitany hoe kiriko amin'ny malotony ianao, tony tsara ianao mampianatra azy mankeo ambony pô, tsy mikitakita, tsy terena koa izy fa lasa miandry anao hanery azy hanao maloto foana izy vao hanao izany na dia efa 5 taona aza, fa ampianarina hoe miteny raha vao te hipipy na hikaka. Ho hitanao fa vetivety dia hainy ny hadio. Ary tsy miandry herinandro akory dia ho vitany izany.
2 taona ny taona idealy hahafahan'ny zaza iray hanao maloto amin'ny pô, nefa tadidio fa tsy mitovy ny zaza rehetra fa samy manana ny toe-tenany avy.

Commentaires
Enregistrer un commentaire