Accéder au contenu principal

LADY GAGA





iza moa i LADY GAGA?
  Stéfanie Germanotta no tena anarany.
Teraka tamin'ny 20 mars 1986 tany Nex York izy.Mbola kely izy dia efa naniry ny ho olo-malaza saingy mbola tsy fantany izay tena tiany atao na ho mpandihy izy na ho mpihira. 14 taona izy no nanomboka nihira tany amin'ireny bar ireny, satria niasa ho serveuse ihany koa izy tamin'izany.

Nahay nitendry piano be izy ary tafiditra anisan'ireo mahay indrindra tamin'ny fifaninanana nataony tamin'ny école de musique iray. Niatomboka namokatra ny hirany tamin'ireny boîte de nuit malaza ao Nex York ireny izy Ka ilay hira beautiful Dirty Rich no tena nampalaza azy. Ary mahay mandihy koa moa izy ka dia nalaza tokoa ary tamin'izay no nifankahitany tamin'i Akon izay tena taitra tokoa tamin'ny fahaizan'ity tovovavy. Ary dia niara-niasa ireo ka namoaka ny album voalohany i Lady Gaga nomeny anarana hoe Fame izay ahenoina ny pop, dance ary rock. I Lady Gaga ihany moa no nanoratra sy nanome feony ny hira tao amin'io album io.
Nanomboka tamin'ny taona 2008 izy no tena nihira. Just Dance no album novokariny ary tamin'ny Miss Univers no nisehoany fahitalavitra voalohany. Ary tamin'izay no tena nahitan'ny olona azy sy ny fahaizany. Voafidy ho artiste révélation de l'année et meilleur clip izy tamin' io taona 2008 io. Tian'ny tanora tokoa i Lady Gaga. Raha ireo mpihira vahiny vehivavy hafa dia i Gwen Stefani no tena mitovy bika sy endrika aminy. Ary misy koa ny miantso azy hoe "la nouvelle Madonna".

Commentaires

  1. Manao ahoana!
    Voalohany aloha dia tiako ny milaza entoana fa mahafinaritra ny mamaky blog malagasy toy izao!

    Momba ity mpihira ity dia te-hanoratra aho hoe tsy hitako mhintsy izay ilana azy.
    Ny anarany "GAGA" izay midika hoe "idiote".
    Rehefa mijery azy aho dia hita mihintsy hoe olona tia rasavoritaka sady te-hojerena nefa ratsy izay asehony.

    Mijery ny clip indray dia sady mampatahotra no mahatsiravina ny ao anatiny.

    Betsaka ery ny olona indrindra ny tanora mpankafy azy anefa dia rehefa henoina ny tononkira dia mahantra votoatiny.

    Indraindray mba mila fisainana ihany rehefa manaraka mpihira fa tsy faly manaraka lamaody fotsiny.

    Azonao angamba fa tsy mankafy ity mihintsy izaho.
    Kanefa dia manaja ny fitiavan'ireo maro anisa.
    Manoratra ny hevitro fotsiny aho fa anjaran'ny tsirairay ny mandanjalanja.

    Mirary soa indrindra amin'ny fandrosoan'ity blog ity.
    :-D

    RépondreSupprimer

Enregistrer un commentaire

Posts les plus consultés de ce blog

MITONDRA VOHOKA AHO: ireo singa ahafantarana azy

Tsy tonga ny fadimbolana: Rehefa bevohoka ny vehivahy dia ny fadimbolana no tsy miverina intsony raha tsy fotoana lavalava aorian'ny fiterahana indray. Rehefa tsy tonga herinandro izy io dia ny "test de grossesse" no tsara indrindra hanamafisana azy fa tena vohoka tokoa no mahatonga ny fadimbolana tsy tonga indrindra moa fa raha tena ara-potoana foana ny fandehanany talohan'izay. Ireto anefa misy antony vitsivitsy mety ahatara ny fadimbolana nefa: - tara na tsy nisy ny fotoana naha lonaka izay mety ho vokatry ny rarin-tsaina na "stress". Ny ankizivavy vao tonga fotoana voalohany sy ireo vehivavy efa misimisy taona (45ans) - ny fanajanonana ny fandrindram-piterahana   Ireto ary ny singa ahafantarana tokoa fa mitondra vohoka ny vehivevy iray: 1* Mivonto sy somary maharary ny nono:

NY FIHETSIKAO REHEFA MIHETSI-JAZA

Marary tokoa ny mihetsi-jaza. Voalohany aloha dia tokony efa voahomana tsara daholo ny entana hoentina mamonjy hôpitaly dieny mbola tsy mihetsika ny zaza izany hoe rehefa manomboka ny hoe "miandry andro" ianao

Ny vahona

Vahona Efa ela be tany aloha tany no efa fantatra fa tena mahasoa tokoa ny fampiasana ny vahona na aloe vera na koa hoe aloès. Ny antsoina hoe latex izay azo avy amin'ny hoditry ny vahona sy ny gel, ilay tsiranoka azo avy amin'ny nofony no tena ilaina amin'izany ary aty amin'ny tany mafana toa an'i Madagasikara izao dia tena betsaka azy mihitsy. Maka tahona vahona iray ianao, potserina tsara hivoaka ny ranony ary ilay maditidity somary maitso iny no gel.