Accéder au contenu principal

ONDANA TSARA

Izay tsara kidoro hono tsara torimaso nefa aza adino fa ny ondana koa dia mila atao tsara.
Atao tsara endrika sy madio, ary malemilemy tsara sy mitovy tantana mba tsy ankarary ny hatoka rehefa matory. Atao mifanentana amin'ny haben'ny olona matory koa ny helehibeny. Ohatra oe misy ny ondana natao ho an'ny zaza vao teraka; rehefa miha lehibe izy dia alebiazina amin'izay ny ondany.
Antsipiriany kely ary:



Ho an'ny zaza:
  • Ny zazakely latsaky ny roa taona aloha voalohany indrindra dia tsy dia mila ondana loatra izy fa mety aminy ny matory amin'izao. Ho antsika malagasy moa dia misy ny hoe miodana amin'ny fotsim-bary mba ho tonga boribory tsara ny lohan'ny zaza. Avy eo koa dia misy ireo ondana kely misy lavaka eo afovoany izay mitovy fiasa amin'ilay ondana fotsim-bary ihany.
  • Ny zaza 2 taona no miakatra indray dia atao iva dia iva ny ondany mba hahitsy tsara ny fitombon'ny hazon-damosiny. Izay ny mahatonga ny zaza matory miohoka indraindray  satria avo loatra ny ondany. Ny matory mitsilany na mitongilana havanana na havia ihany anefa no tena mety ho an'io taona io.
Ho an'ny lehibe:
  • Samy efa manana ny safidiny sy mahafantatra ny ondana mety aminy saingy tsara raha tena lehibe mihintsy ny ondana, tsy dia atao mafy loatra fa atao malemy, izany hoe atao somary milentika kely mihintsy ny loha rehefa miondana azy ianao, mba tsy ny loha ihany no tatazan'ny ondana amin'izay fa ny hatoka ihany koa.
Ho an'ireo efa nahazo taona:
  • Ondana avoavo indray no mety mba hahamora ny fomba fiainany rehefa matory, amin'io taona io mantsy dia efa miha sarotsarotra ny taovam-pisefoana.
  • Iva toy ny an'ny ankizy kosa indray raha toa ka tsy manana izay olana ara-pisefoana izay ilay olona mba tsy hiolana be loatra ny hatoka.

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

MITONDRA VOHOKA AHO: ireo singa ahafantarana azy

Tsy tonga ny fadimbolana: Rehefa bevohoka ny vehivahy dia ny fadimbolana no tsy miverina intsony raha tsy fotoana lavalava aorian'ny fiterahana indray. Rehefa tsy tonga herinandro izy io dia ny "test de grossesse" no tsara indrindra hanamafisana azy fa tena vohoka tokoa no mahatonga ny fadimbolana tsy tonga indrindra moa fa raha tena ara-potoana foana ny fandehanany talohan'izay. Ireto anefa misy antony vitsivitsy mety ahatara ny fadimbolana nefa: - tara na tsy nisy ny fotoana naha lonaka izay mety ho vokatry ny rarin-tsaina na "stress". Ny ankizivavy vao tonga fotoana voalohany sy ireo vehivavy efa misimisy taona (45ans) - ny fanajanonana ny fandrindram-piterahana   Ireto ary ny singa ahafantarana tokoa fa mitondra vohoka ny vehivevy iray: 1* Mivonto sy somary maharary ny nono:

NY FIHETSIKAO REHEFA MIHETSI-JAZA

Marary tokoa ny mihetsi-jaza. Voalohany aloha dia tokony efa voahomana tsara daholo ny entana hoentina mamonjy hôpitaly dieny mbola tsy mihetsika ny zaza izany hoe rehefa manomboka ny hoe "miandry andro" ianao

Ny vahona

Vahona Efa ela be tany aloha tany no efa fantatra fa tena mahasoa tokoa ny fampiasana ny vahona na aloe vera na koa hoe aloès. Ny antsoina hoe latex izay azo avy amin'ny hoditry ny vahona sy ny gel, ilay tsiranoka azo avy amin'ny nofony no tena ilaina amin'izany ary aty amin'ny tany mafana toa an'i Madagasikara izao dia tena betsaka azy mihitsy. Maka tahona vahona iray ianao, potserina tsara hivoaka ny ranony ary ilay maditidity somary maitso iny no gel.