Accéder au contenu principal

MANAN-JO NY ANKIZY

10 ny zon'ny ankizy:


1*Zon'ny ankizy ny hisakafo, hotsaboina ary tiavina: mba ahafahany mitombo vatana sy saina, tsy maintsy misy mikarakara sakafo ho an'ny ankizy, mitsabo azy rehefa marary, ary maneho fa tiana ireny ankizy ireny. Ny ray sy reny niteraka no tompon'andraikitra voalohany.
2*Zon'ny ankizy ny ho hajaina: manan-jo hanana ny fiainany manokana izy hohajain'ny ray aman-dreniny sy ny iray tampo aminy. Tsy misy mahazo mamaky ny taratasy ho azy na mitsikilo ny entany raha tsy efa nierana taminy. Tsy misy mahazo manery ny ankizy hanao firaisana ara-nofo fa voasazy izay manao izany. Manan-jo koa ny ankizy hisafidy ny namany satria ny fihetsem-pony dia tokony hajaina tahaka ny tsy maintsy hanajany ny hafa.
3*Zon'ny ankizy ny hanana anarana sy ny nationalité. Vao teraka izy dia tsy maintsy omena anarana sy fanampiny mba hanaovana ny vakisininy, andehanany any ampianarana, sns... Indraindray anefa dia misy ray sy reny tsy mahalala akory fa tsy maintsy atao izany. Tena ilaina anefa izany mba hahafantarana ny firenena izay tokony hiaro ny ankizy.
4*Zon'ny ankizy ho any an-tsekoly. Mianatra manoratra sy mamaky teny no tsy maintsy hay voalohany, maro ny ray sy reny no tsy afaka mandeha ny ankizy mianatra any an-tsekoly satria mahantra loatra. Fa rehefa mahay manoratra sy mamaky teny dia ef afaka mandray an-tanana kely ny fiainany ny ankizy: afaka mianatra asa, afaka miserasera, afaka mahazo tsara ny fiaraha-monina iaraha-miaina

5*Zon'ny ankizy ny hanofinofy, hihomehy ary hilalao. Indraindray ny olon-dehibe dia manadino ny maha ankizy ny ankizy, ka heveriny fa lehibe mitovy aminy ihany ireo ankizy ireo. Kanefa dia manan-jo hilalao, hihomehy ary hanofinofy ny ankizy satria izay no maha ankizy azy, ny kilalao dia tena ilaina be amin'ny fitombon'ny ankizy. Rehefa lehibe izy dia mivelatra tsara ny sainy ary mahay mamorona koa ny sainy.
6*Zon'ny ankizy ny manome hevitra. Zon'ny ankizy ny miteny any am-pianarana, ao an-trano, any amin'ny fikambanana isan-karazany, eny fa na dia any amin'ny Fitsarana mahakasika azy aza. Ohatra hoe raha misaram-panambadiana ny ray sy reny, dia afaka mangataka fitenenana amin'ny Mpitsara ny ankizy. Afaka manana mpisolo-vava azy manokana koa ny ankizy. Ny olon-dehibe dia tsy maintsy mihaino izay lazain'ny ankizy.
7*Zon'ny ankizy ny hitovy na vavy izy na lahy, na salam vatana na tsia. Mitovy daholo ny zon'ny ankizy rehefa ankizy. Na amin'nt taona, na lahy na vavy, na inona ny finoany, na inona ny fiteniny, na inona lokon-koditra. Ary manan-jo ampiana hatrany izy, harovana, ary ampianarina. Izany dia mahakasika ny ankizy latsaky ny 18 taona.

8*Zon'ny ankizy ny harovana amin'ny herisetra. Tsy hoe kely ny ankizy dia afaka ataon'ny lehibe azy daholo izay tiana atao aminy. Ny tokony ho izy dia tokony harovana ny ankizy amin'ny karazana herisetra rehetra ao anatin'nizany ny fanaovana tsinotsinona ny ankizy. Tsy misy mahazo manao ratsy amin'ny ankizy na ny fianakaviany, na ny namany.
9*Tsy manan-jo hiasa ny ankizy raha mbola tsy feno ny 18n'ny taonany. Tsy mahazo miasa, ary tsy azo terena hiasa ny ankizy raha asa mandreraka azy na mampidi-doza azy. Ka na dia mahantra aza ny fianakaviany, zon'ny ankizy hatrany ny mankany an-tsekoly fa tsy miasa akory.

10*Tsy misy mahazo mandefa ny akizy any am-piadiana. Na aiza ny firenena miady misy azy na aiza, dia anjaran'ny olon-dehibe ny ady. Ny azon'ny lehibe atao amin'izany dia ny miaro ny ankizy.

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

MITONDRA VOHOKA AHO: ireo singa ahafantarana azy

Tsy tonga ny fadimbolana: Rehefa bevohoka ny vehivahy dia ny fadimbolana no tsy miverina intsony raha tsy fotoana lavalava aorian'ny fiterahana indray. Rehefa tsy tonga herinandro izy io dia ny "test de grossesse" no tsara indrindra hanamafisana azy fa tena vohoka tokoa no mahatonga ny fadimbolana tsy tonga indrindra moa fa raha tena ara-potoana foana ny fandehanany talohan'izay. Ireto anefa misy antony vitsivitsy mety ahatara ny fadimbolana nefa: - tara na tsy nisy ny fotoana naha lonaka izay mety ho vokatry ny rarin-tsaina na "stress". Ny ankizivavy vao tonga fotoana voalohany sy ireo vehivavy efa misimisy taona (45ans) - ny fanajanonana ny fandrindram-piterahana   Ireto ary ny singa ahafantarana tokoa fa mitondra vohoka ny vehivevy iray: 1* Mivonto sy somary maharary ny nono:

NY FIHETSIKAO REHEFA MIHETSI-JAZA

Marary tokoa ny mihetsi-jaza. Voalohany aloha dia tokony efa voahomana tsara daholo ny entana hoentina mamonjy hôpitaly dieny mbola tsy mihetsika ny zaza izany hoe rehefa manomboka ny hoe "miandry andro" ianao

Ny vahona

Vahona Efa ela be tany aloha tany no efa fantatra fa tena mahasoa tokoa ny fampiasana ny vahona na aloe vera na koa hoe aloès. Ny antsoina hoe latex izay azo avy amin'ny hoditry ny vahona sy ny gel, ilay tsiranoka azo avy amin'ny nofony no tena ilaina amin'izany ary aty amin'ny tany mafana toa an'i Madagasikara izao dia tena betsaka azy mihitsy. Maka tahona vahona iray ianao, potserina tsara hivoaka ny ranony ary ilay maditidity somary maitso iny no gel.