Accéder au contenu principal

TORO HEVITRA 6 HAHAZOANA NY FON'NY OLONA

1* Mahaliana anao tanteraka ny momba ilay olona
2* Mitsikia amin'ny olona foana.

3* Ataovy ao antsainao fa ny anaran'ny olona no teny tsara indrindra sy misy dikany lehibe indrindra noho ny teny hafa rehetra.
4* Mahaiza mihaino. Ampaherezo ny hafa mba hiresaka ny momba azy.
5* Izay zavatra tian'ny olona miresaka aminao no ataovy votoatin-dresakareo.
6* Ataovy fantany fa tena manan-danja be aminao izy ary toy izany koa ny miresaka aminy.
Tadidio fa ny mitsiky dia tsy amidy vola, ny tsiky iray dia tsy maharitra ela akory nefa dia mandritra ny fiainanao manontolo dia afaka ahatsiarovanao ny tsikin'olona. Tsy vidiana ny tsiky, tsy azo angatahina ny tsiky fa mandeha ho azy, tsy azo indramina ny tsiky fa samy manana ny azy, tsy azo angalarina ihany koa, kanefa raha tsy zarainao amin'ny olona ny tsikinao dia zary tsy misy dikany sy toy ny tsy misy izany. Raha misy olona mifanena aminao, ka hitanao fa ho sarotra aminy ny hitsiky aminao, dia hitsikio izy fa hanaitra azy izany,
Ka raha tianao ary ny ho tian'ny olona manodidina anao, dia mitsikia lalandava.

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

MITONDRA VOHOKA AHO: ireo singa ahafantarana azy

Tsy tonga ny fadimbolana: Rehefa bevohoka ny vehivahy dia ny fadimbolana no tsy miverina intsony raha tsy fotoana lavalava aorian'ny fiterahana indray. Rehefa tsy tonga herinandro izy io dia ny "test de grossesse" no tsara indrindra hanamafisana azy fa tena vohoka tokoa no mahatonga ny fadimbolana tsy tonga indrindra moa fa raha tena ara-potoana foana ny fandehanany talohan'izay. Ireto anefa misy antony vitsivitsy mety ahatara ny fadimbolana nefa: - tara na tsy nisy ny fotoana naha lonaka izay mety ho vokatry ny rarin-tsaina na "stress". Ny ankizivavy vao tonga fotoana voalohany sy ireo vehivavy efa misimisy taona (45ans) - ny fanajanonana ny fandrindram-piterahana   Ireto ary ny singa ahafantarana tokoa fa mitondra vohoka ny vehivevy iray: 1* Mivonto sy somary maharary ny nono:

NY FIHETSIKAO REHEFA MIHETSI-JAZA

Marary tokoa ny mihetsi-jaza. Voalohany aloha dia tokony efa voahomana tsara daholo ny entana hoentina mamonjy hôpitaly dieny mbola tsy mihetsika ny zaza izany hoe rehefa manomboka ny hoe "miandry andro" ianao

Ny vahona

Vahona Efa ela be tany aloha tany no efa fantatra fa tena mahasoa tokoa ny fampiasana ny vahona na aloe vera na koa hoe aloès. Ny antsoina hoe latex izay azo avy amin'ny hoditry ny vahona sy ny gel, ilay tsiranoka azo avy amin'ny nofony no tena ilaina amin'izany ary aty amin'ny tany mafana toa an'i Madagasikara izao dia tena betsaka azy mihitsy. Maka tahona vahona iray ianao, potserina tsara hivoaka ny ranony ary ilay maditidity somary maitso iny no gel.