Accéder au contenu principal

TORO HEVITRA 10 MBA HANANA FIADANAM-PO

Mba hampanjakana ny fiadanam-po ao aminao dia ireto misy tolo-kevitra 10 afaka arahinao hahatratrarana izany:

1* Ekeo ny tenanao araka ny maha-ianao anao, ekeo an-kafaliana izany.
2* Izao no ataovy mibahana ao an-tsainao: izay efa azo sy noraisina no hifaliana fa tsy izay tsy ampy ho hitarainana. Izany hoe ny fisaorana no atao fa tsy ny fitarainana.
3* Ekeo ny toetry ny hafa, araka ny maha-izy azy avy, manomboka amin'ireo akaiky anao indrindra (vady aman-janakao, iray tampo, ny mifanolo-bodi-rindrina, ny havan ...)
4* Miteny ary tsy mijery afatsy izay tsara eo amin'ny hafa eo anivon'ny besinimaro.
5* Fadio ny mifampitaha amin'ny hafa, fa avona na hakiviana no vokatr'izany fa tsy hasambarana.
6* Miaina ao amin'ny fahamarinana, tsy matahotra ny hilaza izay tsara hoe tsara, ary izay ratsy hoe ratsy.
7* Vahana amin'ny fifanakalozan-kevitra ny olana eo amin'ny mpiara-monina, fa tsy amin'ny alalan'ny herisetra
8* Tsy tazonina am-po ny lonilony fa vao mainka ireny mampanjonitra.
9* Tsy ahitam-bokany ny miresaka ny hafa rehefa tsy eo izy, toy izany koa ny mitondra teny ratsy azy na mitaraina amin'izay ataony ny tena. Aleo misoka-po mifanakalo hevitra miainga amin'izay mampiray, izay vao miresaka mikasika izay mampisaraka.
10* Alohan'ny hatory ny alina, manantona hamitra-pihavanana. Aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny hatezeranao. ary resy lahatra fa hoe "mamela heloka aloha" izay vao "manana ny marina".

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

MITONDRA VOHOKA AHO: ireo singa ahafantarana azy

Tsy tonga ny fadimbolana: Rehefa bevohoka ny vehivahy dia ny fadimbolana no tsy miverina intsony raha tsy fotoana lavalava aorian'ny fiterahana indray. Rehefa tsy tonga herinandro izy io dia ny "test de grossesse" no tsara indrindra hanamafisana azy fa tena vohoka tokoa no mahatonga ny fadimbolana tsy tonga indrindra moa fa raha tena ara-potoana foana ny fandehanany talohan'izay. Ireto anefa misy antony vitsivitsy mety ahatara ny fadimbolana nefa: - tara na tsy nisy ny fotoana naha lonaka izay mety ho vokatry ny rarin-tsaina na "stress". Ny ankizivavy vao tonga fotoana voalohany sy ireo vehivavy efa misimisy taona (45ans) - ny fanajanonana ny fandrindram-piterahana   Ireto ary ny singa ahafantarana tokoa fa mitondra vohoka ny vehivevy iray: 1* Mivonto sy somary maharary ny nono:

NY FIHETSIKAO REHEFA MIHETSI-JAZA

Marary tokoa ny mihetsi-jaza. Voalohany aloha dia tokony efa voahomana tsara daholo ny entana hoentina mamonjy hôpitaly dieny mbola tsy mihetsika ny zaza izany hoe rehefa manomboka ny hoe "miandry andro" ianao

Ny vahona

Vahona Efa ela be tany aloha tany no efa fantatra fa tena mahasoa tokoa ny fampiasana ny vahona na aloe vera na koa hoe aloès. Ny antsoina hoe latex izay azo avy amin'ny hoditry ny vahona sy ny gel, ilay tsiranoka azo avy amin'ny nofony no tena ilaina amin'izany ary aty amin'ny tany mafana toa an'i Madagasikara izao dia tena betsaka azy mihitsy. Maka tahona vahona iray ianao, potserina tsara hivoaka ny ranony ary ilay maditidity somary maitso iny no gel.