Voatavo daholo no hiantsoantsika azy roa ireo fa inona ary no mahasamy hafa azy?
Ny citrouille dia tena boribory be, mafy ny nofony ao anatiny. Mahazo any amin'ny 5 kg any ny habeny, na dia efa nahitana 821kg aza izany tamin'ny record du monde 2010 tany Etats-Unis. Mavo be foana ny lokony. Izy ilay fanaovan'ny olona halloween.
Fa ny potiron kosa dia somary petaka kokoa fa tsy toy ny voatavo. Malemilemy kokoa ny nofony. Ary ny habeny dia sahala amin'ny voatavo ihany saingy misy karazany maro be izy ka izay no ahitana potiron kelikely kokoa. Ny lokon'ny potiron dia arakaraka ny karazany ihany, misy izy tena orange be, misy koa somary maintso...
Ireto avy ary entin'ny voatavo hoa an'ny vatantsika:
Vitamine A,B2, C, E, phosphore, magnésium, potassium, fer zinc, manganèse, cuivre.
Protéines, glucides, lipides, fibres alimentaires.
manasoa ny vatantsika izy satria manampy amin'ny fiarovana amin'ny aretin'ny tosi-drà, ny cancer sasantsasany ihany koa, manampy amin'ny fahasalaman'ny tatavy ihany koa izy.
Ny huile de citrouille moa dia manasitrana prostate.
Commentaires
Enregistrer un commentaire