Accéder au contenu principal

NY ASAN'NY VITAMINES

Hitanao ao amin'ny SAKAFO ireo vitamines rehetra fa inona ary ny asany eo amin'ny vatantsika?



VITAMINES A mahatsara ny fahitana, manafaingana fahasitranan'ny hoditra, miaro ny hoditra amin'ny mony, manampy amin'ny fitomboana ara-batana, manamafy ny taolana, manatsara ny hoditra ary mahatsara ny volo ...
VITAMINES B1 manampy amin'ny fiasan'ny selan(ny ati-doha
VITAMINES B2 mitana ny hatsaran'ny hoditra
VITAMINES B3 manampy amin'ny fiasan'ny ati-doha
VITAMINES B5 miady amin'ny stress, manatsara ny hoditra sy ny volo, manampy amin'ny famadiana ny sakafo ho otrik'aina mahavelona
VITAMINES B6 mampihena ny maloiloy, manampy amin'ny fiasan'ny ati-doha sy manatsara ny tosi-dra
VITAMINES B8 miady amin'ny fihintsanan'ny volo, mitazona ny hatsaran'ny hoditra, manampy amin'ny famadiana ny sakafo ho otrik'aina mahavelona
VITAMINES B9 manampy amin'ny fiforonana sy fiveloman'ny sela vaovao, indrindra ho an'ny zaza vao miforona ao an-kibo
VITAMINES B12 manampy be amin'ny fitomboana, amin'ny fiforonan'ny sela any amin'ny ati-doha sy ny sela mena ao amin'ny rà, miaro amin'ny aretin'ny tosi-drà
VITAMIENS C miaro amin'ny havizanana, manampy amin'ny fahasitranan'ny ratra, mitàna ny fer ao amin'ny vatana, mampavitrika
VITAMINES D mihazona ny calcium sy phospsore, manampy amin'ny fitombon'ny taolana
VITAMINES E manaela ny fahanterana, miaro amin'ny aretin'ny tosi-drà sy ny cancer
VITAMINES K mihazona ny calcium ao amin'ny taolana, miaro amin'ny fivainganan'ny rà
FER miaro amin'ny havizanan'ny vatana sy ny saina
CALCIUM miasa amin'ny fiforona'ny taolana sy ny nify ary ny fiasan'ny ati-doha. manamaivana ny manaintaina rehetra mandritra ny fadim-bolana
MAGNESIUM manatsara ny fiasan'ny ati-doha sy ny fitempon'ny fo, manamaivana ny manaintaina rehetra mandritra ny fadim-bolana
POTASSIUM mampihena ny fiakaran'ny tosi-dra be loatra, mandrindra ny fitempon-ny fo, miaro amin'ny fahatapahan'ny lalan-drà
PHOSPHORE manampy amin'ny fiforonan'ny hery hoenti-miasa sy ny fiasan'ny selan'ny ati-doha, manamafy ny taolana sy ny nify
SELENIUM miady amin'ny fahanterana lasa aloha loatra, miaro amin'ny homamiadan'ny hoditra sy ny havokavoka

Commentaires

Enregistrer un commentaire

Posts les plus consultés de ce blog

MITONDRA VOHOKA AHO: ireo singa ahafantarana azy

Tsy tonga ny fadimbolana: Rehefa bevohoka ny vehivahy dia ny fadimbolana no tsy miverina intsony raha tsy fotoana lavalava aorian'ny fiterahana indray. Rehefa tsy tonga herinandro izy io dia ny "test de grossesse" no tsara indrindra hanamafisana azy fa tena vohoka tokoa no mahatonga ny fadimbolana tsy tonga indrindra moa fa raha tena ara-potoana foana ny fandehanany talohan'izay. Ireto anefa misy antony vitsivitsy mety ahatara ny fadimbolana nefa: - tara na tsy nisy ny fotoana naha lonaka izay mety ho vokatry ny rarin-tsaina na "stress". Ny ankizivavy vao tonga fotoana voalohany sy ireo vehivavy efa misimisy taona (45ans) - ny fanajanonana ny fandrindram-piterahana   Ireto ary ny singa ahafantarana tokoa fa mitondra vohoka ny vehivevy iray: 1* Mivonto sy somary maharary ny nono:

NY FIHETSIKAO REHEFA MIHETSI-JAZA

Marary tokoa ny mihetsi-jaza. Voalohany aloha dia tokony efa voahomana tsara daholo ny entana hoentina mamonjy hôpitaly dieny mbola tsy mihetsika ny zaza izany hoe rehefa manomboka ny hoe "miandry andro" ianao

Ny vahona

Vahona Efa ela be tany aloha tany no efa fantatra fa tena mahasoa tokoa ny fampiasana ny vahona na aloe vera na koa hoe aloès. Ny antsoina hoe latex izay azo avy amin'ny hoditry ny vahona sy ny gel, ilay tsiranoka azo avy amin'ny nofony no tena ilaina amin'izany ary aty amin'ny tany mafana toa an'i Madagasikara izao dia tena betsaka azy mihitsy. Maka tahona vahona iray ianao, potserina tsara hivoaka ny ranony ary ilay maditidity somary maitso iny no gel.