Accéder au contenu principal

Ny vahona

Vahona
Efa ela be tany aloha tany no efa fantatra fa tena mahasoa tokoa ny fampiasana ny vahona na aloe vera na koa hoe aloès. Ny antsoina hoe latex izay azo avy amin'ny hoditry ny vahona sy ny gel, ilay tsiranoka azo avy amin'ny nofony no tena ilaina amin'izany ary
aty amin'ny tany mafana toa an'i Madagasikara izao dia tena betsaka azy mihitsy. Maka tahona vahona iray ianao, potserina tsara hivoaka ny ranony ary ilay maditidity somary maitso iny no gel.




Ny azo ampiasana azy?
  • manafaingana ny fahasitranan'ny hoditra, ny ferifery kely eny amin'ny hoditra eny, eny fa na dia ny mony koa aza dia afany. Ahosotra eo ami'ny faritra tiana hositranina ny gel. Averimberina matetitetika mandritra ny andro.
  • manena ny glycémie koa izy ho an'ny olona diabetika.
  • mety ampiasaina koa ny vahona ho an'ny olona mitohana.
  • misy koa ny produits cosmétiques toy ny champoings, masques izay tena manatsara tokoa.
  • anti-ride ihany koa ny vahona raha mahavatra manosotra azy amin'ny tarehy indray mandeha isan-kerin'andro ianao rehefa avy manasa tarehy.
Mangidy be ny vahona ka raha tsy zakanao ny tsirony dia ezaho tsy ho tafiditra am-bava, na efa misy koa ny vahona voahodina eny amin'ny mpivarotra fanafody eny.
Marihina anefa fa tsara raha ny mpitsabo anao no mamaritra ny fatra tokony ho ataonao satria mila fitandremana be dia be amin'ny fahasalamana izany indrindra indrindra ho an'ireo diabetika.

Commentaires

  1. Ekena fa tena marna satria efa nanandrana hatraminy ela

    RépondreSupprimer
  2. Rehefa nahita an'i Dr.Wealthy aho dia nila mafy ny hamerina ilay olon-tiako taloha. Navelany ho an'ny vehivavy hafa aho. Haingana be ny nitrangan'izany ary tsy nilaza ny zava-nisy mihitsy aho. Nanary ahy fotsiny izy taorian'ny 3 taona tsy nisy fanazavana. Mifandray amin'i Dr.Wealthy aho ary nolazainy ahy ny zavatra tokony hataoko alohan'ny hanampiany ahy ary nataoko izay noteneniny ahy, rehefa avy nanome izay tadiaviny aho dia nandefa ody fitiavana hanampy antsika hiara-hiaina. Fotoana fohy taorian'ny nanaovany ny famosaviana, nanomboka nandefa hafatra tamiko indray ny sipako ary nahatsiaro nahatsiravina noho izay nametrahany ahy. Nilaza izy fa izaho no olona manandanja indrindra amin'ny fiainany ary fantany izany izao. Niara-nifindra izahay ary nisokatra tamiko izy noho ny teo aloha ary nanomboka nandany fotoana bebe kokoa tamiko noho ny taloha izy. Hatramin'ny nanampian'i Dr.Wealthy ahy dia tena milamina sy mahatoky ary akaiky ahy kokoa ny namako noho ny teo aloha. Manoro hevitra mafy an'i Dr.Wealthy ho an'izay mila fanampiana aho. Mailaka: wealthylovespell@gmail.com. Antsoy izy na ampio amin'ny whatsapp amin'ny alàlan'ny: +2348105150446 Dr.Wealthy BLOG PAGE: Blog: https://wealthylovespell.blogspot.com

    RépondreSupprimer

Enregistrer un commentaire

Posts les plus consultés de ce blog

MITONDRA VOHOKA AHO: ireo singa ahafantarana azy

Tsy tonga ny fadimbolana: Rehefa bevohoka ny vehivahy dia ny fadimbolana no tsy miverina intsony raha tsy fotoana lavalava aorian'ny fiterahana indray. Rehefa tsy tonga herinandro izy io dia ny "test de grossesse" no tsara indrindra hanamafisana azy fa tena vohoka tokoa no mahatonga ny fadimbolana tsy tonga indrindra moa fa raha tena ara-potoana foana ny fandehanany talohan'izay. Ireto anefa misy antony vitsivitsy mety ahatara ny fadimbolana nefa: - tara na tsy nisy ny fotoana naha lonaka izay mety ho vokatry ny rarin-tsaina na "stress". Ny ankizivavy vao tonga fotoana voalohany sy ireo vehivavy efa misimisy taona (45ans) - ny fanajanonana ny fandrindram-piterahana   Ireto ary ny singa ahafantarana tokoa fa mitondra vohoka ny vehivevy iray: 1* Mivonto sy somary maharary ny nono:

NY FIHETSIKAO REHEFA MIHETSI-JAZA

Marary tokoa ny mihetsi-jaza. Voalohany aloha dia tokony efa voahomana tsara daholo ny entana hoentina mamonjy hôpitaly dieny mbola tsy mihetsika ny zaza izany hoe rehefa manomboka ny hoe "miandry andro" ianao