Accéder au contenu principal

TOILETTE INTIME

Ny toilette intime dia ny fanadiovana ny fivaviana. Ao amin'ny taovam-pananahan'ny vehivavy ao dia misy ny atao hoe flore vaginale, mila kolokoloina tsara izy io satria mora simba tokoa izy no miaro ny taova amin'ny loto mety ho tafiditra rehetra ao ami'ny taova ao. Ireny loto ireny mantsy dia miteraka aretina maro be tsy tambo isaina mety hahazo ny taovam-pananahan'ny vehivavy raha tsy voatandrina. Izany indrindra no tsy maintsy hanajantsika vehivavy ny toilette intime.

Inona no tsy maintsy atao ao anatin'ny toilette intime?
*Ny tanana ihany dia efa ampy hanasanao azy. Tsy mila gant akory ianao fa ireny indrindra aza no tena mitahiry loto izay mety ho tafiditra any anaitiny any indray.
*Sasana daholo any ami'ny plis rehetra misy eo amin'ny fivaviana, toy izany koa ny ao ambanin'ny faritra atao hoe "clitoris", tsy mila misikotra lalina akory izany rehetra izany fa eo ivelany daholo ihany. Raha misikotra ianao dia hanimba ny firafitry ny tsiranoky ny  lalan-jaza izany (acidité vaginale).
*Tsara raha tondrahana ny manao ny fisasana fa tsy milona anaty rano mba tsy hahamaina ny hoditra rehefa avy eo.
*Atao betsaka ny rano isasana
*Fafana amin'ny "serviette" madio tsara mba hiala tsara rano. Tsara raha manokana serviette mihitsy ho an'io faritra io fotsiny.
*Manomboka aty anoloana ny fisasana vao mihembotra any aoriana.
Impiry isan'andro no atao ny toilette intime?
Indray mandeha isan'andro no tokony atao ny toilette intime. Fa afaka ampitomboina kely izany raha tonga fotoana ohatra, na avy nanao firaisana, na avy tsemboka (nanao fanatanjahan-tena ohatra na mafana be ny andro)
Inona ny produit azo ampiasaina ami'ny toilette intime?

Mila jerena tsara ny produit ampiasaina, faran'izay malefaka ihany, satria izay no tsy manimba ilay acidité vaginale noresahana tery ambony. Noho izany dia tsy azo atao ny mampiasa produit disinfectant, tsy asiana savony mihitsy na gel douche na izay savony fandroana.
Ireto ny toetran'ny produit azo ampiasaina: nettoyany doux, sans savon, sans parfum, au pH neutre, spécialement pour l'hygiène intime, respecte l'acidité naturelle du vagin. Ka hitanao eny amin'ny pharmacie na grande surface izy ireny.
Tsy azo asian déodorant, na menaka, na crème hafa mihitsy.
Ankoatra ny toilette intime dia inona ny fihetsika tokony atao?

Tokony hanasa tanana alohan'ny hisasana, na raha misy fikitihana ny fivaviana.
Mila misolo serviette hygiènique in-telo isan'andro farafahakeliny. Raha tampon no ampiasaina dia tokony tsy hihoatra ny 4 ka hatramin'ny 6ora.
Raha mivoaka mikàkà, dia tokony fafana aty aloha mankany aoriana.
Mila mijey dokotera na gynécoloque indray mandeha isan-taona.

Manao ahoana ny atin'akanjo tokony anaovana?
Fadiana ny manao akanjo tery loatra na slip tery loatra mandrintra ny fotoana ela.
Coton hatrany no tsara indrindra ampiasaina amin'ny slip.
Misolo slip indray mandeha isan'andro farafahakeliny.
Tsara raha rano mafana no hanasana ny slip.
Raha latsaka main'ny tany ny slip dia naman'ny maloto avy hatrany.
Raha avy nilomano, dia tsy tsara anaovana ela loatra ny maillot de bain fa misy loto ny rano-na piscine.
Fadiana ny mifampihindrana slip indrindra moa ny slip friperie, na koa serviette hifafana izany.

Ny lehilahy koa dia tokony hisasa isan'andro.

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

MITONDRA VOHOKA AHO: ireo singa ahafantarana azy

Tsy tonga ny fadimbolana: Rehefa bevohoka ny vehivahy dia ny fadimbolana no tsy miverina intsony raha tsy fotoana lavalava aorian'ny fiterahana indray. Rehefa tsy tonga herinandro izy io dia ny "test de grossesse" no tsara indrindra hanamafisana azy fa tena vohoka tokoa no mahatonga ny fadimbolana tsy tonga indrindra moa fa raha tena ara-potoana foana ny fandehanany talohan'izay. Ireto anefa misy antony vitsivitsy mety ahatara ny fadimbolana nefa: - tara na tsy nisy ny fotoana naha lonaka izay mety ho vokatry ny rarin-tsaina na "stress". Ny ankizivavy vao tonga fotoana voalohany sy ireo vehivavy efa misimisy taona (45ans) - ny fanajanonana ny fandrindram-piterahana   Ireto ary ny singa ahafantarana tokoa fa mitondra vohoka ny vehivevy iray: 1* Mivonto sy somary maharary ny nono:

NY FIHETSIKAO REHEFA MIHETSI-JAZA

Marary tokoa ny mihetsi-jaza. Voalohany aloha dia tokony efa voahomana tsara daholo ny entana hoentina mamonjy hôpitaly dieny mbola tsy mihetsika ny zaza izany hoe rehefa manomboka ny hoe "miandry andro" ianao

Ny vahona

Vahona Efa ela be tany aloha tany no efa fantatra fa tena mahasoa tokoa ny fampiasana ny vahona na aloe vera na koa hoe aloès. Ny antsoina hoe latex izay azo avy amin'ny hoditry ny vahona sy ny gel, ilay tsiranoka azo avy amin'ny nofony no tena ilaina amin'izany ary aty amin'ny tany mafana toa an'i Madagasikara izao dia tena betsaka azy mihitsy. Maka tahona vahona iray ianao, potserina tsara hivoaka ny ranony ary ilay maditidity somary maitso iny no gel.