Accéder au contenu principal

NOFO-KENA SAUCE OVY



nofon-kena 1/4kg
ovy 2 somary lehibebe
voatabia 3 lehibe
menaka 3 sotro fihinanana



tongolo oignon 2 lehibe
tongolo maitso, kotomila, persil 1 sotrokely avy
sauce soja 2 sotro fihinanana

Tetehina manifinify ny nofon-kena, raha tianao dia somary totoina amin'ireny marteau à viande ireny
Tetehina ny voatabia sy ny tongolo rehetra
Raper-na ny ovy
Atao anaty lapoaly daholo ny fangaro rehetra
Ampiana rano izay tsy mandifotra ny fangaro ahamasaka ny nofon-kena
Avela ambony afo ary ampiana sira, poavra, izay habetsahany tianao.
Rehefa hitanao fa ridritra, tsy avela ho ritra be dia vita
Mazotoa homana ary!!!

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

MITONDRA VOHOKA AHO: ireo singa ahafantarana azy

Tsy tonga ny fadimbolana: Rehefa bevohoka ny vehivahy dia ny fadimbolana no tsy miverina intsony raha tsy fotoana lavalava aorian'ny fiterahana indray. Rehefa tsy tonga herinandro izy io dia ny "test de grossesse" no tsara indrindra hanamafisana azy fa tena vohoka tokoa no mahatonga ny fadimbolana tsy tonga indrindra moa fa raha tena ara-potoana foana ny fandehanany talohan'izay. Ireto anefa misy antony vitsivitsy mety ahatara ny fadimbolana nefa: - tara na tsy nisy ny fotoana naha lonaka izay mety ho vokatry ny rarin-tsaina na "stress". Ny ankizivavy vao tonga fotoana voalohany sy ireo vehivavy efa misimisy taona (45ans) - ny fanajanonana ny fandrindram-piterahana   Ireto ary ny singa ahafantarana tokoa fa mitondra vohoka ny vehivevy iray: 1* Mivonto sy somary maharary ny nono:

NY FIHETSIKAO REHEFA MIHETSI-JAZA

Marary tokoa ny mihetsi-jaza. Voalohany aloha dia tokony efa voahomana tsara daholo ny entana hoentina mamonjy hôpitaly dieny mbola tsy mihetsika ny zaza izany hoe rehefa manomboka ny hoe "miandry andro" ianao

Ny vahona

Vahona Efa ela be tany aloha tany no efa fantatra fa tena mahasoa tokoa ny fampiasana ny vahona na aloe vera na koa hoe aloès. Ny antsoina hoe latex izay azo avy amin'ny hoditry ny vahona sy ny gel, ilay tsiranoka azo avy amin'ny nofony no tena ilaina amin'izany ary aty amin'ny tany mafana toa an'i Madagasikara izao dia tena betsaka azy mihitsy. Maka tahona vahona iray ianao, potserina tsara hivoaka ny ranony ary ilay maditidity somary maitso iny no gel.