Accéder au contenu principal

PATE A PIZZA TENA MORA ATAO

Ity misy fanaovana pate a pizza tena mora atao:



Zavatra ilaina:

Farine 3 sotro be
Menaka 3 sotro fihinanana
Sira 3 tsongo
Atody 1
Levure instantané 1 sotro fihinanana somary mitafotafo kely
rano matimaty tapaky ny vera

Fanaovana azy:

Alefa ao anaty koveta kely ny farine.
Afangaro ny levure sy ny farine ary ny sira.
Asiana lavaka eo afovoany, dia alefa ao ny atody sy ny menaka.
Volavolaina amin'ny tanana ho tonga boribory ny pate, alefa tsikelikely ny rano matimaty mandrapivaingana tsara ny pate.
Avela ao anaty koveta kely izy ary saromana lamba maina sy madio mandritra ny 30 mn farafahakeliny.
Na tavela ela ao aza tsy mampaninona azy fa tsy mihoatra ny adiny 3.

Raisina ny pate boribory, asiana farine kely ny latabatra sy ny rouleau à pate.
Kosehina hihafisaka ny pate. Tokony ahavita pate ho ana pizza 2 raha kelikely ny four (40x30cm)

Asiana farine kely koa ny plaque andrahoina azy dia apetraka eo ny pate efa voafisaka.

Ny sauce tomate foana no araraka voalohany ambony pate, izay vao alefa ny ingrédients rehetra izay tiana.
Tsy azo avela ela anaty four ny pizza fa manjary lasa mafy ny pate. 5 mn eo dia vonona ny pizza.

Mazotoa homana ary




Commentaires

  1. Rehefa nahita an'i Dr.Wealthy aho dia nila mafy ny hamerina ilay olon-tiako taloha. Navelany ho an'ny vehivavy hafa aho. Haingana be ny nitrangan'izany ary tsy nilaza ny zava-nisy mihitsy aho. Nanary ahy fotsiny izy taorian'ny 3 taona tsy nisy fanazavana. Mifandray amin'i Dr.Wealthy aho ary nolazainy ahy ny zavatra tokony hataoko alohan'ny hanampiany ahy ary nataoko izay noteneniny ahy, rehefa avy nanome izay tadiaviny aho dia nandefa ody fitiavana hanampy antsika hiara-hiaina. Fotoana fohy taorian'ny nanaovany ny famosaviana, nanomboka nandefa hafatra tamiko indray ny sipako ary nahatsiaro nahatsiravina noho izay nametrahany ahy. Nilaza izy fa izaho no olona manandanja indrindra amin'ny fiainany ary fantany izany izao. Niara-nifindra izahay ary nisokatra tamiko izy noho ny teo aloha ary nanomboka nandany fotoana bebe kokoa tamiko noho ny taloha izy. Hatramin'ny nanampian'i Dr.Wealthy ahy dia tena milamina sy mahatoky ary akaiky ahy kokoa ny namako noho ny teo aloha. Manoro hevitra mafy an'i Dr.Wealthy ho an'izay mila fanampiana aho. Mailaka: wealthylovespell@gmail.com. Antsoy izy na ampio amin'ny whatsapp amin'ny alàlan'ny: +2348105150446 Dr.Wealthy BLOG PAGE: Blog: https://wealthylovespell.blogspot.com

    RépondreSupprimer

Enregistrer un commentaire

Posts les plus consultés de ce blog

MITONDRA VOHOKA AHO: ireo singa ahafantarana azy

Tsy tonga ny fadimbolana: Rehefa bevohoka ny vehivahy dia ny fadimbolana no tsy miverina intsony raha tsy fotoana lavalava aorian'ny fiterahana indray. Rehefa tsy tonga herinandro izy io dia ny "test de grossesse" no tsara indrindra hanamafisana azy fa tena vohoka tokoa no mahatonga ny fadimbolana tsy tonga indrindra moa fa raha tena ara-potoana foana ny fandehanany talohan'izay. Ireto anefa misy antony vitsivitsy mety ahatara ny fadimbolana nefa: - tara na tsy nisy ny fotoana naha lonaka izay mety ho vokatry ny rarin-tsaina na "stress". Ny ankizivavy vao tonga fotoana voalohany sy ireo vehivavy efa misimisy taona (45ans) - ny fanajanonana ny fandrindram-piterahana   Ireto ary ny singa ahafantarana tokoa fa mitondra vohoka ny vehivevy iray: 1* Mivonto sy somary maharary ny nono:

NY FIHETSIKAO REHEFA MIHETSI-JAZA

Marary tokoa ny mihetsi-jaza. Voalohany aloha dia tokony efa voahomana tsara daholo ny entana hoentina mamonjy hôpitaly dieny mbola tsy mihetsika ny zaza izany hoe rehefa manomboka ny hoe "miandry andro" ianao

Ny vahona

Vahona Efa ela be tany aloha tany no efa fantatra fa tena mahasoa tokoa ny fampiasana ny vahona na aloe vera na koa hoe aloès. Ny antsoina hoe latex izay azo avy amin'ny hoditry ny vahona sy ny gel, ilay tsiranoka azo avy amin'ny nofony no tena ilaina amin'izany ary aty amin'ny tany mafana toa an'i Madagasikara izao dia tena betsaka azy mihitsy. Maka tahona vahona iray ianao, potserina tsara hivoaka ny ranony ary ilay maditidity somary maitso iny no gel.