Accéder au contenu principal

OVY MANTA - POMME DE TERRE CRUE - REMEDE MEDICINAL

Ny ovy dia ahitana betsaka glucides, protéines, magnésium, potassium  ary vitamines B1, B2, B3, B5, B6, B9, C, E. Misy tombonyhafa ihany koa anefa mety ahasoa antsika ao anatin'ny ovy ka ovy manta no resahana eto:

- Manasitrana ny fery ny ovy manta voatetika ajinika (rapé), indrindra ny fery sarotra tsaboina, amin'izany dia afangaro amin'ny ronono kely fatra ilay ovy.
- raha marary an-doha dia ny ovy voatetika boribory (en rondrelle), dia afaka apetaka eo amin'ny handrina fatorana amin'ny lamba kely analana izay aretin'andoha izay
- ny ranon'ovy (jusde pomme de terre) indray dia natao anasitranana aretim-bavony. Io dia sotroina isa-maraina raha mbola tsy nisakafo, ka tapohina rano matimaty izy amin'izany. Ovy iray dia ampy anaovana ity fanafody ity. Iray sotro no hanombohana azy ary ampitomoina tsikelikely ny fatrany isan'andro.
- Manampy amin'ny fanalana votsy ihany koa ny ovy: zaraina 2 ny ovy ary akosoka eo amin'ny votsy in-droa isan'andro mandritra ny 2 herinandro eo ho eo.
Marihina fa tsy tsara ny mihinana ovy efa manomboka maniry fa mankarary.

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

MITONDRA VOHOKA AHO: ireo singa ahafantarana azy

Tsy tonga ny fadimbolana: Rehefa bevohoka ny vehivahy dia ny fadimbolana no tsy miverina intsony raha tsy fotoana lavalava aorian'ny fiterahana indray. Rehefa tsy tonga herinandro izy io dia ny "test de grossesse" no tsara indrindra hanamafisana azy fa tena vohoka tokoa no mahatonga ny fadimbolana tsy tonga indrindra moa fa raha tena ara-potoana foana ny fandehanany talohan'izay. Ireto anefa misy antony vitsivitsy mety ahatara ny fadimbolana nefa: - tara na tsy nisy ny fotoana naha lonaka izay mety ho vokatry ny rarin-tsaina na "stress". Ny ankizivavy vao tonga fotoana voalohany sy ireo vehivavy efa misimisy taona (45ans) - ny fanajanonana ny fandrindram-piterahana   Ireto ary ny singa ahafantarana tokoa fa mitondra vohoka ny vehivevy iray: 1* Mivonto sy somary maharary ny nono:

NY FIHETSIKAO REHEFA MIHETSI-JAZA

Marary tokoa ny mihetsi-jaza. Voalohany aloha dia tokony efa voahomana tsara daholo ny entana hoentina mamonjy hôpitaly dieny mbola tsy mihetsika ny zaza izany hoe rehefa manomboka ny hoe "miandry andro" ianao

Ny vahona

Vahona Efa ela be tany aloha tany no efa fantatra fa tena mahasoa tokoa ny fampiasana ny vahona na aloe vera na koa hoe aloès. Ny antsoina hoe latex izay azo avy amin'ny hoditry ny vahona sy ny gel, ilay tsiranoka azo avy amin'ny nofony no tena ilaina amin'izany ary aty amin'ny tany mafana toa an'i Madagasikara izao dia tena betsaka azy mihitsy. Maka tahona vahona iray ianao, potserina tsara hivoaka ny ranony ary ilay maditidity somary maitso iny no gel.