Accéder au contenu principal

ASTUCES TRES FACILES - CUISINE

"OEUF SUR PLAT" tsy miraikitra amin'ny lapoaly: somary kikikikisana moramora amin'ny vainga-tsira ny lapoaly ary tsy sasana fa fahona amin'ny lamaba madio tsara sy maina. Tsy hiraikitra ny atody.
Fitahirizana persil tsy halazo: Esorina na tapahina ny vodin'ny persil, kely fotsiny no halana. Atao ao anaty vera misy rano mangatsiaka, dia saromana amin'ny sachet plastique ilay vera, hidina tsara amin'ny "élastique" mba tsy ho tafiditry ny rivotra. Dia apetraka ao anaty vata fampangatsiahana (frigidaire), somary alavirina ny faritra tena mangatsiaka amin'ny frigo izy. Ohatra: amin'ny varavaravn'ny frigo, amin'ny farany ambany.

Fanalana fofon-trondro amin'ny fitaovana ao an-dakozia:
Ahosotra aminy ny tongolo nosasahana 2 na ovy manta rehefa avy nosasana zay vao hiverenana kobanina.
Mba hampisy tsiro kokoa ny pomme frite (ovy)Rehefa mafana ny menaka anendasana ny ovy, dia alatsaka ao ny tongolo gasy hasiny 2 lehibe tsy tetehina fa vakiana hivoaka ny tsirony. Avela ao anaty menaka mandrapahamasaky ny ovy.
Fitetehana tongolo oignon tsy mankarary maso: Voasana ny tongonlo, esorina ny lohany, ary halona minitra vitsy ao anaty rano mangatsiaka na matimaty, azo tetehina ny tongolo.
Fitahirizana confiture: rehefa tsy lany ny confiture dia mora simba, mba hialana amin'izany
dia rarahana siramamy kely dia kely eo amboniny. Maharitra kokoa izy amin'izay.
Famonjena mayonnaise nivadika: ampiana sira kely na vinaigre kely dia kely (tapaky ny sotrokely) ary haodina tsy ankijanona na maka 1 sotrokely amin'ilay mayonnaise tsy nety, afangaro amin'ny rano na ronono mangatsiaka 1 sotro. Kapohina hainga amin'ny sotro rovitra (fourchette), dia arotsaka tsikelikely ny ambin'ny mayonnaise tsy nety.
Diso be sira loatra ny sakafo? andraraho vinaigre kely ampiana siramamy kely dia miverina amin'ny laoniny ny sira
Tsy manana tir-bouchon? Saromana tsara amin'ny lamba ny lohan'ny tavoangy, somary kapokapohina moramora amin'ny zavatra mafy ny vodin'ny tavoahangy, ohatra, hazo, latabatra ... hiala moramora ny bouchon.
Misy fofona ronono mijanona ny biberon-njaza: kosehina amin'ny dentifrice, ary kobanina tsara.
Mba tsy hihoatra ny vilany ny ronono rehefa mangotraka: kobanina ahazo hatsiaka tsara ny vilany (casserole) alohan'ny andrahoana ny ronono, tsy hihoatra izy rehefa mangotraka.
Mba tsy ho mafy ny roti: dia vela ao anaty lafaoro rehefa masaka, tsy hidina ny lafaoro fa avela hisokatra
Mba hampalemy ny hena: dia alona minitra vitsy anaty rano mifangaro vinaigre alohan'ny handrahoina azy
Handanja dibera (beurre) kanefa tsy misy balance: sotro 2cl = 20g de beurre, sotro kely 0.66cl = 7g de beurre
Sarotra ny mamoha ny huître: alona kely ao anaty rano mifangaro vinaigre alohan'ny hamoahana azy

blancs en neige: mitana tsara sady vetivety ny manao azy raha ampiana karibônetra kely iray tsongo.
compote de pomme tsaratsara kokoa: alohan'ny handrahoina azy dia rarahana ranom-boasary makirana 1.
raha voatsindry ny salade  ka potika: dia alona ao anaty rano mandritra ny 10minitra dia hiverina ny hatsarany

glaçons miraikitra: andrarahana eau gazeuse kely izy dia tsy miraikitra intsony

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

MITONDRA VOHOKA AHO: ireo singa ahafantarana azy

Tsy tonga ny fadimbolana: Rehefa bevohoka ny vehivahy dia ny fadimbolana no tsy miverina intsony raha tsy fotoana lavalava aorian'ny fiterahana indray. Rehefa tsy tonga herinandro izy io dia ny "test de grossesse" no tsara indrindra hanamafisana azy fa tena vohoka tokoa no mahatonga ny fadimbolana tsy tonga indrindra moa fa raha tena ara-potoana foana ny fandehanany talohan'izay. Ireto anefa misy antony vitsivitsy mety ahatara ny fadimbolana nefa: - tara na tsy nisy ny fotoana naha lonaka izay mety ho vokatry ny rarin-tsaina na "stress". Ny ankizivavy vao tonga fotoana voalohany sy ireo vehivavy efa misimisy taona (45ans) - ny fanajanonana ny fandrindram-piterahana   Ireto ary ny singa ahafantarana tokoa fa mitondra vohoka ny vehivevy iray: 1* Mivonto sy somary maharary ny nono:

NY FIHETSIKAO REHEFA MIHETSI-JAZA

Marary tokoa ny mihetsi-jaza. Voalohany aloha dia tokony efa voahomana tsara daholo ny entana hoentina mamonjy hôpitaly dieny mbola tsy mihetsika ny zaza izany hoe rehefa manomboka ny hoe "miandry andro" ianao

Ny vahona

Vahona Efa ela be tany aloha tany no efa fantatra fa tena mahasoa tokoa ny fampiasana ny vahona na aloe vera na koa hoe aloès. Ny antsoina hoe latex izay azo avy amin'ny hoditry ny vahona sy ny gel, ilay tsiranoka azo avy amin'ny nofony no tena ilaina amin'izany ary aty amin'ny tany mafana toa an'i Madagasikara izao dia tena betsaka azy mihitsy. Maka tahona vahona iray ianao, potserina tsara hivoaka ny ranony ary ilay maditidity somary maitso iny no gel.