Tsy tonga ny fadimbolana: Rehefa bevohoka ny vehivahy dia ny fadimbolana no tsy miverina intsony raha tsy fotoana lavalava aorian'ny fiterahana indray. Rehefa tsy tonga herinandro izy io dia ny "test de grossesse" no tsara indrindra hanamafisana azy fa tena vohoka tokoa no mahatonga ny fadimbolana tsy tonga indrindra moa fa raha tena ara-potoana foana ny fandehanany talohan'izay. Ireto anefa misy antony vitsivitsy mety ahatara ny fadimbolana nefa: - tara na tsy nisy ny fotoana naha lonaka izay mety ho vokatry ny rarin-tsaina na "stress". Ny ankizivavy vao tonga fotoana voalohany sy ireo vehivavy efa misimisy taona (45ans) - ny fanajanonana ny fandrindram-piterahana Ireto ary ny singa ahafantarana tokoa fa mitondra vohoka ny vehivevy iray: 1* Mivonto sy somary maharary ny nono:
Vahona Efa ela be tany aloha tany no efa fantatra fa tena mahasoa tokoa ny fampiasana ny vahona na aloe vera na koa hoe aloès. Ny antsoina hoe latex izay azo avy amin'ny hoditry ny vahona sy ny gel, ilay tsiranoka azo avy amin'ny nofony no tena ilaina amin'izany ary aty amin'ny tany mafana toa an'i Madagasikara izao dia tena betsaka azy mihitsy. Maka tahona vahona iray ianao, potserina tsara hivoaka ny ranony ary ilay maditidity somary maitso iny no gel.
Commentaires
Enregistrer un commentaire